Malagasy Ranoray

October 31, 2005

Tovana amin’ny hafatra

Filed under: Uncategorized — serasera @ 6:32 am

Dia tapa-kevitra izany fa hasiana tovana amin’izay amin’ny hafatra. Ka toa izao no hanaovana azy.

Ahoana no hanaovana azy?
– Afaka mandefa tovana rehefa mandefa hafatra.
– Ny tovana dia voatahiry ao amin’ny toerana isaky ny namana
– Ny tovana dia azo fafaina manokana ary koa voafafa miaraka amin’ny hafatra. (raha tehirizina ny hafatra dia voatahiry miaraka aminy)
– Misy fetrany ny habe-n’ny tahiry isaky ny namana

Ny olana mety hitranga?
–  Feno ny boatin’ny namana iray dia tsy afaka mandray hafatra sa tsy afaka mandray tovana?
– Tokony misy namana afaka mitahiry tovana lehibebe kokoa
– Rehefa alefa email ny hafatra, manaraka ve ny tovana? (Tsia – lien no ampanarahana)

Misy tsy mety
Raha hafatra iray ho an’olona vitsivitsy dia aiza no hapetraka? sa manao copy ho an’ny rehetra? 😦

October 28, 2005

Manomboka indray ny fifindrana

Filed under: Uncategorized — serasera @ 5:24 pm

Taorian’ny fiaretan-tory tamin’ny alarobia alina nampiditra ny serasera.org tao amin’ny serveur vaovao sy ny fiaretantory tamin’ny alakamisy alina namerina azy tao amin’ilay serveur taloha indray (satria tapaka naharitra tsy nahitako solution ilay serveur vaovao) dia hanomboka indray androany hariva ny fiaretantory amin’ny famindrana ny serasera amin’ilay serveur vaovao satria izany araka ny voalaza dia mandeha tsara ny milina fa olana ankapobeny ilay nahatapaka azy iny.
Inona ny zavatra hatao?

  1. Serveur vaovao : SV, Serveur taloha : ST
  2. Ampisaina amin’ny SV ny host mysql amin’ny ST
  3. Pointer-na amin’ny SV indray ny DNS
  4. Afindra amin’ny SV ny sary vao niova dia manao mise à jour (satria mbola ao amin’ny SV ny sary taloha)
  5. Tapahana ny takelaka ST sy SV mba tsy hisy hafatra very (ezahina ho 15 min io fahatapahana io)
  6. Atao mise à jour ny données ao amin’ny SV [Mbola tapaka ny takelaka]
  7. Ovaina ho host SV amin’izay ilay host ST[Mbola tapaka ny takelaka]
  8. Desactiver-na ilay host ST sao mbola misy mihainohaino any [Mbola tapaka ny takelaka]
  9. Averina amin’ny laoniny ny SV fa avela ho tapaka ny ST (satria tsy misokatra ny port SV de tsy azo atao host?)
  10. Matory kely 🙂
  11. Miverina rehefa amin’ny 5 maraina manao verification
  12. Vita

Inona no mety ho tapaka?
Araka ny voalaza teo ambony izany dia mety ho tapaka

  1. Mandritra ny 1ora rehefa mifindra ny pointage DNS ST->SV
  2. Mandritra ny 15min eo amin’ilay teboka 5. -> 9. etsy ambony

Inona no mety ho very?
Tokony tsy hisy zavatra ho very. Mety hisy ny zavatra miverina indroa. Ezahina hatao tsara ny fanamarinana
Dia avy eo?
Satria week-end izao dia ho hita ny tanjak’ilay SV, raha mahazaka ny serasera.org ilay izy dia tohizana. Raha tsy mahazaka dia efa miomana amin’ny fiverenana amin’ny ST indray… dia angamba maka aina kely

Ireto ary ny zavatra atao amin’izao fotoana izao

  • 28/10/2005 17.52
    Tafiditra ao anaty SV ny fichiers rehetra ilaina amin’ny fampandehanana azy hampiasa ny données ao amin’ny ST
  • 28/10/2005 18.30
    Natsofoka hanondro any amin’ny SV ny NS serasera.org… dia mody aloha 🙂
  • 28/10/2005 22:51
    Voadingana ilay teboka 2. 🙂 zao vao tena vita.
    Ezahina afangaro amin’izay ny données SV sy ST
  • 29/10/2005 11:17
    (Izay vao tafafoha :-))
    Napetraka tao amin’ny SV ny sary tao amin’ny ST
    Mbola any amin’ny ST ny données @ base fa tsy voafindra alina.
  • 01/11/2005 02:19
    Vita ny famindrana ny base de donnéEs ho ao amin’ny SV

Dedicated server

Filed under: Uncategorized — serasera @ 11:04 am
Collecting dedicated servers

  • Meganetserve.com
    Tsy mbola malaza. Setup fee 49$, tsisy control panel. (whm/cp add 30$/month)
  • Amen.fr
    Raha 512MB sy Plesk7.5 dia 70.76Euros (tsisy Setup fee)
    Olana: tsy mampiasa Paypal – frantsay

Hery
http://hery.serasera.org
“Tsiky dia ampy”
Tel +39 338 744 2412

Olana mémoire

Filed under: Uncategorized — serasera @ 6:08 am

Tsy nahomby ny famindrana ny serasera tao amin’ny serveur vaovao omaly. Rehefa nojerena dia olana ara-mémoire ilay izy. Amin’izao tsy misy serasera izao dia tsy mety mihoatra ny 50MB ny mémoire libre sur 508MB (Nampiasa commande free) ao amin’ny serveur vaovao.

October 27, 2005

Tapaka ny serveur

Filed under: Uncategorized — serasera @ 10:44 pm

Tapaka nandritra ny fotoana maharitra ilay serveur vaovao nametrahana ny serasera. Tsy mbola fantatro ny antony. Hojereko ao amin’ny log hoe inona no nitranga.  Nanao reboot avy ao amin’ny admin interface fa mbola tsy mandeha.
Naverina ao amin’ny serveur teo aloha aloha mandra-pisian’ny antony mazava.
  
 

October 26, 2005

Manomboka androany ny famindrana

Filed under: Uncategorized — serasera @ 1:32 pm

Manomboka amin’izao fotoana izao izany ny famindrana ny serasera.org ho ao amin’ny serveur dédié.
Mety hisy korotandrotana madinidinika mandrapahatongan’ny rahampitso toa izao.

Marihana fa mandra-pifindran’ny DNS tanteraka dia mbola ao amin’ny serveur taloha ihany ny données rehetra MySQL no sintonina. Midika izany fa somary hiadana kokoa ny site.

Heverina tsy haharitra ny fahatapahana (minitra vitsivitsy) satria mifindra fotsiny ny DNS fa ny takelaka efa tokony handeha daholo amin’ny toerana roa.

Raha tafafindra ny serveur dia miova ity ambany ity
Serveur serasera.org miasa :

Toa izao no fizotran’ny asa

26/10/2005 13.34

  • Mampiditra ny fanovana farany tao amin’ny namana
  • Manandrana raha mety tsara ny takelaka avy ary amin’ny serveur vaovao
  • Mamindra ny DNS … de miandry
  • Nasiana sary famantarana ao amin’ny takelaka namana.serasera.org ahitana hoe efa serveur vaovao ve no miasa sa serveur tranainy.

27/10/2005 01:36

  • Mamindra ny sary mbola tavela tao amin’ny serveur taloha (nampidirin’ny namana faramparany)
  • Manao vérification raha misy tsy mety.
  • Hita fa tsy mety ny tahiry.serasera.org (tsy afaka misoratra anarana)
  • Mamerina amin’ny laoniny ny emails @serasera.org rehetra (lanto, ralay, michi, welie, miora, r4d0, manjakelinay)
  • Manao verification services mail : mandeha tsara (nandramana ny Hadino ny tenimiafina)

27/10/2005 02:12

  • Vita tanteraka ny famindrana ny fichiers rehetra. Ao daholo ny sary.
  • Tsy mandeha ny namana.serasera.org/iza:… sy ny namana.serasera.org/izaho fa ny serasera.org/iza:… sy serasera.org/namana/iza:… no mandeha

27/10/2005 04:12

  • Voafindra ihany koa ny base de données. Efa tsy miasa iintsony ny base de données taloha.
  • Ny olana kely dia ny takelaka.org mbola mipetraka ao amin’ilay serveur taloha
  • Hatory am’zay fa toa efa ok daholo

27/10/2005 15:07

  • Nisy olana teo amin’ny famindrana ny takelaka hery.serasera.org dia voatery naverina daholo. Soa ihany fa efa nanana ny images rehetra aho dia napetraka fotsiny sisa
  • Efa mandeha tsara ny takelaka amin’izao fotoana izao.

October 20, 2005

Fomba hamindrana ny sql

Filed under: Uncategorized — serasera @ 1:12 pm

Koa satria tsy mitovy ny version MySQL amin’ny serveur nisy ny serasera sy ny serveur vaovao dia ity ny fika hitako hanaovana ny famindrana ny données mysql tsy mila upgrade.

– Manao dump-n’ny structures rehetra @ phpmyadmin (jerena tsara ilay hoe compatibilities) (A)
– Manao dump normal @ command line (structures + data) (B)
– Manao restaure an’ilay structures nalaina t@ phpmyadmin (A)
– Manao mysqldump –force an’ilay data rehetra (B)

ny dikan’ilay –force dia hoe na misy erreurs aza dia tohizo ihany ny query.

October 17, 2005

Quelques services sur serasera.org

Filed under: Uncategorized — serasera @ 9:39 am

Quelques idées de services
– Recevoir par email les messages
– Album

October 15, 2005

Transfering serasera

Filed under: Uncategorized — serasera @ 2:21 pm

Miezaka mamindra tsikelikely ny serasera.org ao amin’ilay serveur vaovao aho.

Tsy nisy fanovana natao t@ config.
Misy olana hita momba ny mysqldump (tranainy kokoa ilay mysql serveur ao amin’ny serveur vaovao ka tsy raisiny ny mysqldump avy amin’ny serasera) mitady vahaolana hafa aho.

cliquer ici

Backup a site

Filed under: Uncategorized — serasera @ 11:59 am

Some helps from my experiences on backing up a site.

Backup for the home dir

From the dir that you want to back up
tar cvf – * | gzip > ~/backup-site.tar.gz

Restore it
tar -xvzf backup-site.tar.gz

What is important with this backup is that permissions follow.

Backup database (I used the mysqldump)

mysqldump –user=your_user –password=your_pass –host=source_host –databases database1 database2 etc… | gzip > backupfile.gz

Restore it

gunzip < backupfile | mysql –user=db_user –password=db_password db_name

Next Page »

Blog at WordPress.com.